mimoza (исполнитель: Mahaleo)

Tiako hafindra aminao
Ny fitiavako mimoza
Kanefa raha tsy tianao
Dia avereno ho ahy
Ny fitiavako mimoza

Misy toerana mafana
Tsy mba mamanala
Ao anatiko ao
Toerana kelikely, afaka hitahiry
Ny fitiavanao mimoza
Manimanitra daholo, izay lalovanao
Misy fofom-boninkazo
Vononkazo mimoza

Andao fa ho entiko ianao
Faly aho raha hitanao
Ilay saha mimoza
Izay toerana falehako
Efa nanamboarako
Trano kely mimoza

Ny andro efa hariva
Tsy mba fantantsika
Ao anaty tranokelinao
Ny afo manazava
Dia hanome hafanana
Hafanana mimoza

Ny haizina mangina
Efa manery antsika       (2)
Handao ity tranokely
Tranokely mimoza

Raha sendra lasa izaho
Raha sendra tsy eo izaho
Dia izao no zavatra hataonao ahy
Mandehana any an-tsaha
Ary mangala voninkazo mimoza.
Послушать/Cкачать эту песню
Mp3 320kbps на стороннем сайте

Видео к песне:
Открытка с текстом :
Удобно отправить или распечатать
Создать открытку
У нас недавно искали песни:
The Whisper Of An Angel Vocal Mix Nostradamus  Nofun Nofun Crookram remix O75 Ez A Divat  VALeev-Романтик  А не по фик  Gotta get you out of my mind The L Word  Selena gomes slow down  Scream of a Dream Original Mix Escenda 
О чем песня
Mahaleo - mimoza?
2020 © Tekstovoi.Ru Тексты песен